islamgasy

FISAORANA

silamogasy | 03 Jolay, 2006 07:47

                                        @ anaran;ilay mpiantra sy mpitsimbina

mbola faly midera sy misaotra an'ilay mpahary izao tontolo izao ny tenanay , ary faly misaotra anareo mpamaky hajaina ,ary faly misaotra anareo izay nametraka fanotaniana , ary mirary izahay mba hitohizan'izany hatramin'ny farany , ary mampatoky izahay fa hamaly ireo fanotaniana izay hapetrakareo raha toa ka hainay ny valiny.

Arakan'ny fanotanian'ny mpamaky manao hoe:

''Izany hoe io finoana io ve dia mino ihany koa ny zavatra vitan'i Jesoa rehetra ( fahagagana isan-karazany,...) sy ireo mpaminany taloha (Moizy ,...)''.

Dia zao ny valiny arakan'ny fijerin'ny finoana islam ,arakan'ny efa voalazanay tany aloha tany dia ity finoana ity dia mino ireo mpaminany rehetra manomboka @ADAM[as] ka hatramin'ny MOHAMAD[as],izany hoe mino ny fisian'izy ireo ,ary mino koa ny zavatra nataondreo[toy ny fahagagana sns..],ary ireo zavatra izay nataon'ireo mpaminany teo aloha dia voaraikitra ao anaty coran masina avokoa zany hoe ny fahagagana rehetra toy ny nataon'i JESOSY KRISTY [famelomana maty ,]ary ny an'i MOIZY na koa MOUSSA famisarahan ny ranomasina sy ireo maro samihafa,fa ny mampiavaka ny finoana islam @ finoana hafa dia izao:

ny finoana islam dia mino fa ireo fahagagana izay nataon'ireo mpaminany rehetra [ famelomana maty, fampisarahana ranomasina sns ..] dia avy @ alalan'Atra avokoa , izany hoe ireo zavatra izay nataon'ireo mpaminany rehetra dia tsy avy @ vatantenadreo fa fitahiana avy @ ilay mpahary izao tontolo izao , mba entina hanavotra sy hitarika ny olona hoany @ lalana mahitsy , satria zany no anton'ny fanaovana ireo fahagagana ireo.

Arakan'ny efa voalaza dia ireo mpaminany dia miiisa : 124000[ arakan'ny lovantsofina ], fa ny 25 na 26@ ireo ihany no voalaza ao @ coran masina ny anarany.

zay aloha ny azo hambara fa de mbola velompisaorana anareo izay mametraka fanotaniana ary misaotra anareo mpamaky hajaina ,ary mbola averinay eto ihany fa raha ohatra ka misy zavatra tianareo hanotanina dia afaka manontany fa izany no tanjonay mba hamaha ireo olona izay misy eo amintsika,

                                                                   hoy yassir,

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb