islamgasy

NY FINOANA ISLAM [tohiny]

silamogasy | 03 Jolay, 2006 01:14

                                        @ anaran'ilay mpiantra ny mpitsimbina

mbola faly misaotra sy midera an'ilay mpahary izao tontolo izao ny tenanay ,ary faly miarahaba anareo rehetra,mpamaky .

Ny zavatra horesadresahana eto dia mikasika ny finoana ihany, satria mbola maro amintsika no tsy mahalala izany finoana izany ka noezahinay mba hazavazavaina izany .

Araka ny efa henoheno na dia tsy de nazava tsara aza dia ny finoana islam dia finoana iray izay anisan'ireo finoana avy @ Atra  ,zany hoe arakan'ny voalaza ao @ coran masina dia ity finoana ity no finoana farany , zany hoe rehefa lasa i JeSOSY  zay antsoina InCHA[as], dia nisy mpaminany izay antsoina hoe : MAHOMET na MOHAMAD [as], tonga mba hitarika ary hanohy ireo zavatra zay nataon'i JESOSY [as],dia ny fitaritana ny olona izany ,izahay dia mino fa i JESOSY[as] dia mpaminany mitovy @ ireo mpaminany hafa , fa ny mampiavaka azy ireo dia izy tsy nanana ray [pere] fa reny fotsiny no nananany , ary izany dia voasoritra ao @ coran masina .

Ary rehefa nodimandry i MOHAMAD [as],dia nisy olona izay notendreny mba hatao fiverenana rehefa misy zavatra tsy mazava na fanotaniana izany na zavatra hafa, nanomboka tamin'io fotoana io dia nisy fifandirana teo @ sinoana islam , zany hoe teo no nampisaraka ny mpino ho antoko roa dia: ny SONNIT ary CHIAT, ny SONNIT dia ireo izay milaza fa  rehefa nody mandry 'i MOHAMAD [as] dia tsy nanendry olona izy mba hompandimby azy, fa ireo CHIAT kosa dia ireo mino fa nanendry olona izy, tiako mba hazavazavaina kely ny mikasika ireo antoko ireo:

-NY SONNIT :

ny sonnit na koa soonat io teny io dia raha adika @ teny gasy tsotra dia midika hoe: ireo fomba amam-panaon'i MOHAMAD[as], rehefa nody mandry i MOHAMAD[as], dia mivory ireo lohandohany t@ ireo mpanaraka an'i MOHAMAD[as], mba hitendry olona izay ho mpandimby azy ao aoriany , ny akamaroan'olona t@ io fotoana io dia nadeha namonjy ny fandevenana an'i MOHAMAD[as], avokoa , zany hoe ireo olona izay voalazako etsy ambony ireo dia navelandreo ny vata- mangatsiakan'ny Mpaminanin-dreo fa lasa ry zareo namonjy ny zavatra hafa.

Taorian'io dia henon'i ABOU BAKR [ra][ ABOU BAKr dia rafozan'i MOHAMAD rain'i AICHA izay vadin'iMOHAMAD farany], fa misy olona any nivory mba hifidy izay ho mpandimby ao aoriana ,navelandreo koa ny fandevenana an'i mpaminany fa lasa nandeha mba hamonjy izany ry zareo , nony tonga tao dia ,nadeha ny resaka ,ary ny niafarany dia lany izy [ABOU BAKR] mba ho mpandimby ao aoriana[ maro ny zava=nandalo tao fa nofitiniko izy ity mba tsy hahalava ny resaka], t@ izany fotoana izany dia olona vitsy2 ihany no tao .

Nanomboka tamin'io fotoana io dia niely eran'ny tanana fa i ABOU BAKR no mpandimby ,ary izay hitany dia tsy maintsy manao velirano ho fanekena ny fitondrany,nony vita ny fandevenana an'i mpaminany dia henon'i ALI [izay zana-drahalahindrain'MOHAMAD], fa efa vita hono ny fanendrena ny mpandimby ,tonga tany aminy i ABOU BAKR mba hiteny aminy mba hanao velirano sy mba hanaiky ny fitondrany, nefa i ALI  dia tsy nanaiky izany.

Maro ny zavatra naterak'io tsy fanekena io ka niafara t@ famonoana mihintsy aza izany. zay ny mba mikasikasika ny antoko SONNIt.

-NY CHIAT kosa dia ireo olona izay nino sy nahare fa i MOHAMAD t@ pelerinage farany izay nataony dia nitendry olona mba handimby azy, dia ALI izany ,ary ireo olona ireo koa dia nino fa i ALI no nahalala indrindra teo @ ireo mpanaradia rehetra.ny chiat dia mino fa ALI no mpandimby ao aorian'i mpaminany , ary rehefa maty izy dia ny zanany rehetra , satria izy ireo no mahalala indrindra ny finoana  miiisa 12 izy ireo ary ny voalohany dia ALI ,HASSAN <HOUSSAIN ,[izay novonoan'nolona tao karbala,]ary ny mpandimby azy dia ny zanany atao hoe ZAINOL ABIDIN  ka  hatramin'i HASSAN ASKARI ary ny faha 12 dia MAHDI {AJ]izay najavona nohon'ny faharatsian'ireo hafavalo ,satria ry zareo nila namono io akizy io ,satria io MAHDI io t@ zany fotoana izany 5 taona [arakan;ireo voalaza ao @ boky] ary mbola hoavy izy indray andro any mba hamonjy ny olona rehetra,satria ny fotoana izay hitongavany dia rehefa feno faharatsiana tantraka ity tany ity dia efa tsy hita intsony ny hilaizana , zany hoe voageja mafy ireo manaradia azy , dia @ zany fotoana izany izy ho tonga mba hanavotra zy ireo, maro ireo famatarana ny fahatongavany fa @ manaraka ezahinay mba ho lazaina eto izany.

zay aloha fa de mirary anareo mba hahazo fahafinaretana ary mba hahazo lesona .[raha misy fanotaniana na koa misy zavatra manitikitika ny sainareo dia afaka anotanianareo izany ]

                                       yassir

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb