islamgasy

Ny fiaraha monina

silamogasy | 30 Jiona, 2006 02:41

Ny finoana islam dia finoana mampianatra ny olona mba ho any amin'ny lalana mahitsy ary mampianatra mba hitia ny manodidina , izany dia voasoritra ao amin'ny coran masina ,ary manamafy izany koa ny fiainan'i MAHOMET[saw],satria izy dia niaina ary nanaja ny manodidina azy ,toy ny fiaraha-miory @fahasarotana ,ka Atra ilay avo dia milaza ao @ coran masina manao hoe : izy dia fitaratra ho anareo [ ny fihetsikany sy fombany], ka izahay mpino silamo dia manaraka izany , mety hanotany isika hoe : raha ohatra ka marina izany dia maninona ny mpino silamo toa mahery fihetsika avokoa?

Tsy mbola izao ny fotoana hamalianay izany fa mampatoky anareo izahay fa hovalianay izany ,fa izao dia fampahafatarana ihany no ataonay .

NY FANAMBADIANA:

ny finoana islam dia manome alalana ireo lehilahy haka vady mihoatra ny iray[1] raha toa ka mahavita ary hanaja sy hampitovy ireo vehivavy izy zany hoe ,tsy hasiany ambony sy ambany ny fitiavany ireo vehivavy ireo , fa ny mikasika ny vehivavy kosa dia tsy mahazo manambady afatsy lehilahy iray ihany ,izany dia tsy ilana fanazavana intsony satria ,raha ohatra ka misy vehivavy iray manambady lehilahy 2 na 3 ,ka rehefa bevohoka izy de iza amin'ireo lehilahy no tompon'iny zaza iny?

Ary ao koa ny antony maro samihafa fa io dia fanazavana mba entiko  hanala ny fanotaniantsika ,fa raha lehilahy kosa manambady maro dia ataoko fa tsy hisy olana  amin'izany.

NY VEHIVAVY:

Ny finoana islam dia manome hasiny tokoa ireo vehivavy ,ary manaja azy ireo fatratra ,  ary ny vehivavy dia toan'ny zavatra manan-daja ny fiheverany azy , ary ny mikasika ny  fehiloha  na fonondoa[ hijab], dia fanajana ireo vehivavy izany , ary raha ohatra ka nanana vatosoa ianao de ho sahinao ve ny tsy hanafina izany?

NY FIVAVAHANA:

ny finoana islam dia mino fa ny fanetrehantena indrindra eo anatrehan'Atra dia ny fiakohofana , zany hoe ny mpino silamo rehefa mivavaka dia miakohoka satria izany dia marikan'ny fanetrehan-tena ,ary ny fomba malagasy koa dia manamafy izany , satria raha ohatra ka misy olona lehibe noho ianao ka mila hialatsiny na mitady zavatra aminy ianao dia ataoko fa tsy hitsangana na hitery kiho ianao eo anatrehany, ary misy aza ny foko eto madagasikara rehefa mialatsiny dia miteny hoe : tsaofiko ny faladianao" satria izany dia marikan'ny fahambaniana , ka fomba ahona no tsy hanetry tena isika eo antrehan'ilay nahary antsika ,ilay nanome fahasoavana antsika?

                                                                                 misaotra an'i namana

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb