islamgasy

ny mikasikasika ny finoana islam

silamogasy | 29 Jiona, 2006 08:19

                                     Amin'ny anaran'ilay avo indrindra

mbola faly misaotra sy midera an'ilay avo indrindra ny tenako raha nomeny izao fahasoavana izao ka nahafahako hanoratra sy mba hilazalaza ny finoana islam .

ny finoana islam dia finoana iray izay noentin'i mpaminany mahomet izay lazaina  @ teny arabo hoe mohammad [saw].Mahomet dia tamin'ny taona 570 no teraka ary izy dia zanakan'i Abdou llah sy Aminah  , ary izireo dia avy  @ foko koraich avokoa .Arakan'ny tantara dia rehefa feno 6ans i Mahomet dia nody mandry ny reniny , fa talohan'io  fony izy mbola tao  akimbondreniny dia efa nody mandry ny rainy , ary nanomboka tamin'ny faha 6 taonany dia teo akaikin'ny raibeny izy no nipetraka , ary rehefa feno 8 taona izy dia nody mandry koa ny raibeny .

Nanomboka tamin'io fotoana io dia ny rahalahindrainy Abou talib no nandray ny fitaizana azy ,ary nakatia azy ireo fatratra izy ,ary ry zareo koa nakatia azy fatratra , rehefa feno 25 taona izy dia nanambady an'i ramatoa Khadijah ,izay vehivavy  tsara fitondra-tena  teo amin'ny arabo .

nananjanaka  maro ry zareo fa ny akamaroany dia nody mandry avokoa fa i Fatimah [as],ihany no sisa .rehefa feno 40 izy dia tonga tamin'ny fanahy masina ary nanomboka tamin'io izy dia mpaminany ,mamy hoditra teo anatrehan'ny arabo izy satria lehilahy hendry sy tsara fitondratena ary koa  mahatoky teo anatrehan'ny ny maro ,ary tamin'izany fotoana izany dia 'ilay mahatoky ' izay adika @ teny arabo hoe[ amin] no anarambositra nomen'ireo arabo azy .

Nanomboka nanao fampielezana izy ary ,ireo fianakaviany no niantsoany voalohany [arakan'ny  didin'Atra], ary ny olona nakatoa azy voalohany dia ny vinatolahiny[ Ali],ary ny teo amin'ny vehivavy dia ny vadiny [Khadijah ].

Nitohy ny fampielezana tao anatin'ny sarotra rehetra  ,satria tamin'izany  fotoana izany ny arabo  dia nanompo sampy , ka sarotra tokoa ny fampielezana ,nefa na dia teo aza izany fa tsy dia nahasakana azy tsy hanantateraka ny sitrapon'Atra .

Nanana vady 12 izy fa fon'i Khadijah mbola velona dia tsy naka vady izy , fa taty aoriana dia naka vady maro izy nohon'ny anton'ny samihafa.

23 taoriany faminaniana dia nody mandry izy ary ny fasany dia ao madina [arabie saodite].

izay aloha ny fampahafatarana hohifohy ny fototra niaviany finoana islamo ,fa manomboka @ manaraka dia hiresaka ny votoatin'io finoana io isika .

                                                                                    yassir

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb