islamgasy

Ny ffototran'ny finoana islam

silamogasy | 29 Jiona, 2006 23:07

Ny finoana islam dia manana fototra roa izay lazaina hoe : OSOLE DINE sy FOROE DINE.

1- ny osole dine kosa dia mizara dimy:

_TAOHID: dia finoana ny maha tokana an 'Atra zany hoe ny mpino silamo rehetra dia mino fa Atra dia tokana ,ary izany dia nohamafisiny ao @ coran masina manao hoe: ''lazao fa Atra dia tokana ''

ADALAT : ny adalat kosa dia finoanafa Atra dia marina tsy miangatra ary manao zavatra ampahamarinana ,tsy manao tsinsry hazo lena satria tsy misy mitovy aminy ka hialonany ,manao izay tiany ,tsy ankera @ hafa satria izy no nahary izao tontolo izao ,tsy mila fanampiana avy amin'ny hafa satria izy no tompon'ny hery rehetra .

NOBOAT: ny noboat kosa dia finoana fa Atra ilay mpiantra izao tontolo izao dia nadefa mpaminany maro mba hanoro sy hitarika ny olombelona hoa ny amin'ny lalana mahitsy ,ka ireo mpaminany dia miisa 125000, ary ny voalohany amin'ireo dia i mpaminany ADAM [as], ary ny farany dia mpaminany MAHOMET[saw],ny mpino rehetra dia tsy manavakavaka ireo mpaminany rehetra ary izany dia voasoratra ao amin'ny coran masina manao hoe :'' izahay dia tsy manavakavaka na dia iray amin'ireo mpaminany aza''.

IMAMAT: ny imamat kosa dia finoana fa ao aorian'ny mpaminany dia hisy olona handimby azy , satria ao aoriany dia tsy hisy mpaminany intsony ka voatery tsy maintsy misy olona mba handimby azy ,ary mba hanatateraka ny asa izay nataon'ireo mpaminany teo aloha ,dian'ny fitaritana ny zanak'olombelona.

KIAMAT:ny kiamat kosa dia finoana fa misy ny andro farany ,ary mbola ho tsaraina ny zanak'olombelona rehetra ,ka hahazo ny valin-kasasarany ny tsirairay .

Fa ny FOROE DINE kosa dia mizara maromaro , zany hoe ity indray dia saika mikasika ny lalana ,sy fitsipika avokoa ,ka anisan'izany ohatra ny fivavahana [soalat], khoms[ampahadimy karena] , pelerinage sns...

 

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb